Lalàgna (Jean Marie Dallas)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rah nagnino loatra i Madagasikara?
Vahoaka magnantegna mba ho tsara
karakara
Efa impiry irô nilaza fa, vahoaka no
fanjakana?
Nèfa misy olo tsy ampoizigny magnano raha tsy ara-dalàgna.
Olo tsara fipitrahagna, mahita hafaliagna
Vahoaka malagasy, misedra fijaliagna
Amin'ny antony manokana tsy fanàgnana fahalalagna
Tsy mahita ny mangiragna mikasiky ny lalàgna!

Ref:O hooo! ampianara irô lalàgna
E heee! ampianara irô lalagna
O hooo! ampianara irô lalàgna
E heee! ampianara irô lalagna

Vahoaka malagasy mba managna fahendregna
Magnantègna lalandava ny fandrosoan'ity firenena.
Ny ankizy sy ny tanora no voambara fa antokon'ny hoavy
Kanèfa mampalahelo, irô nazon'ny mosavy.
Atao akôry hagnadigna ny raha zay nandalo texto?
Tanora maro nivaha,tègna mampalahelo!
Efa firy irô nampandalovigny tagny ampigadràgna
Voalaza amin'ny fitoriagna fa nandika ny lalàgna.

[REF]

Zanaka nateraka, ampianarigny mba hitady
Kanèfa tsy zegny no hita fa, irô nalefa niady
Oha-bolagnatsika malagasy, tany misy olobe tsy miady zaza.
Kanèfa zanaka antragno mifamono.
R-A-D Tsy tia hahalala.
Tsy mampagnino anao ndray tsy mino raha ze volagniko aminao
Fa rano tsy nandevy, izy koa tsisy môtro tambany tao.
Imbiagna loatra vo hisy jugement ndrô Criminel de guerre?
Mitovitovy lay ny hita tamin'ny procès de Nuremberg.

[REF]
.......................
Rèsaka raharaham-pirenena tanora fo adiasagna!
Malagasy nitaky fihovagna, tanora maro rôso agny ampasagna.
Tetiky meso, fira boriziny, faty hita t'à Rachard a.
Izy koa ra mbola nitohy fo zigny, tsisy rah nanjiary teto antanàgna.
Na R-A-D na zanaka dia samy nagnano adalagna
Kanefa irô tanora fo nigidrigidrain'ny fanjakàna.
Azafady aminarô tompon'ny andraikitry mpameno Casier judiciaire a.
Tsy diso anjara @ zegny Mr le Procureur

O hooo! Natao ho an-jovy lalagna ?
E heee! Natao ho he anjovy lalagna?
O hooo! Natao ho an-jovy lalagna ?
E heee! Natao ho he anjovy lalagna?
............................
Na R.A-D na zanaka dia Samby sefon'ny adalagna ah an.
Kanèfa irô tanora fo no tègna nigidrigidrain'ny fanjakana ah an.
Azafady aminarô managna andraikitry @ famenoagna casier judiciaire ah an.
Tsy diso anjara am'zegny andriamatoa Procureur ah an...
oh oh ooo! Natao ho anjovy marigny lalàgna ah an?
Oh oh ooo! Natao ho anjovy marigny lalagna an?
oh ohoo! Natao ho anjovy marigny anao lalagna ah an?
oh ohoo! Natao ho antsika jiaby va lalàgna ???
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jean Marie Dallas
Vangy : 316
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ZafyNoel
Daty : 25/05/2023 21:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748