Tsy ampafirigny (Jean Marie Dallas)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola tadidiko tsara
Ny fotoana nahatsapana
Fa hita niariary taminao
Ny atao hoe fahabangana.

Tsy nipetra-potsiny ianao
Fa nitady namana hanampy
Izegny midika fa tam-pelan-tànanao tsy nahampy.

Sanganeana ianao
Fa sendra olana saro-bahana
Tapa-kevitry ny hanatota ny farany na dia nisy fisalasalagna.

Matetika amin'ny olo
avy nanaovana tsara amin'ity tany fandalovana
Izy koa fa tamy tsiaka manadigna magnany fisaorana.

Efa tafita ianao
'Zaho nadignonao
Misaotra betsaka
nefa ndraiky
Aoka tsy agnenenanao
Tsarova fa mbola be gny dingana hodiavinao
Ary mbola tsy ampafirigny eh
Amin'izay efa vitanao.

Efa mba niezka zah
Nanarina 'zay tsy nety
Tsy manambara izengy reky fa
Izaho tena endry
Fa noho ny fitiavana ho tafita soamatsara
Satria ianao efa nisantara
Sendra 'zaho nanazava taminao
menimeninao an-tany hafa
Izaho iny fo nivazavaza nekara olo adala
Nefa ndreky hitako anao
Efa tena sahirana
Nagnano 'zay vitako 'zah
Tamin'ny fanampiagna.

Efa tafita ianao
Oh! 'zaho nadignonao
Misaotra betsaka
nefa ndraiky
Aoka tsy agnenenanao
Tsarova fa mbola be gny dingana hodiavinao
Ary mbola tsy ampafirigny eh
Amin'izay efa vitanao.

Instrum.......

Efa tafita ianao
'Zaho nadignonao
Misaotra betsaka
nefa ndraiky
Aoka tsy agnenenanao
Tsarova fa mbola be gny dingana hodiavinao
Ary mbola tsy ampafirigny eh
Amin'izay efa vitanao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jean Marie Dallas
Vangy : 6622
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 19/05/2018 10:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1257