Falifaly izy mitomany (Ibonia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Varianandriana Izy Tato Ho Ato
Indraindray...
Miteny Irery

Mangingina Tsy Hainohaino
Lasa Saina ...
Misentosento

Tsindrin-daona Rehefa Hivoaka
Mailamailaka...
Misy Haleha

Tery Angamba Ny Fotoana
Fa Maikamaika ...
Misy Hovonjena

Nahazo Akama Vaovao Ka
Taitaitra...
Jejojejo

Tsy Handry Ery Izany Hoe Hihaona Ka
Mitaintaina...
Fenofeno

Efa Ela Ihany Mantsy
Tsy Mba Nana-Namana...
Tsy Mba Nisy Nitantana

Tonga Ihany Ity Ilay Andro
Ela Niandrasana...
Moa Va Tsy Lafatra ?

Fa Izy Falifaly ... 'Nefa Izy Mitomany
Mitomany Izy Satria Falifaly

Fa Izy Falifaly e ... 'Nefa Izy Mitomany
(Falifaly Izy Hoy aho !)
Mitomany Izy Satria Falifaly
(Falifaly Izy Mitomany !)...

Fa Finaritra Aok'Izany
Bitabitaka e...
Tsy Voasakana e

Hikiakiaka Aza Raha Ilaina
Tsinjatsinjaka e...
Tsambikimbikina e

Saingy Toa Tsy Nahaloa-Bava
Sempotsempotra e...
Misefosefo Be

Nifamihina Avy Hatrany
Fa Dia Naharitra e...
Moa Va Tsy Lafatra e

Fa Izy Falifaly ... 'Nefa Izy Mitomany
Mitomany Izy Satria Falifaly

Fa Izy Falifaly e ... 'Nefa Izy Mitomany
(Falifaly Izy Hoy aho !)
Mitomany Izy Satria Falifaly
(Falifaly Izy Mitomany !)...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ibonia
Vangy : 1095
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/07/2015 12:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716