Anjelikely (ft Santsou) (Ibonia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ianao ry Anjelikely ?
Any ianao any ho any...
Any amin'ny misy anao any ve mba renao izany antso izany ?
Izaho atý mahatsiaro,
Maminavina, maminany,
Ngôma ngôma anao re zaho, ka mba malakia ianao mamaly.

Enga anie mba ho tsapanao ny vetsovetsoko androany,
Fa ny ahy mantsy efa lasa namako,
Ny sento, ny vinany.
Indraindray aza aho rehefa mba mitsiky,
Dia eo imolotro ihany,
Fa ravarava, rotidrotika ny any anatiko any.

Satria ny ady izay atrehako,
Mila hahavaky ny fo,
Ary ny ahy ny làlana falehako,
Fandrimpandrika daholo.
Fa tsy misy fitsaharana ny sedra izay manjo,
Ary tsy misy fika azo handaharana ny sasa-atidoha.

Mahalasa saina Indraindray hoe
Inona ary no mahatonga izany,
Kanefa toa mba mitady,
Toa mba mitsikaraka ihany.
Sa dia efa izay no anjara-fiainana
Voasoratra ho ahy
Fa dia natokana hijaly,
Tsy hisy mpiraharaha

'Ndeha re mba ho ento aho mba Hanaraka anao
Mba ampianaro ahy,
Izany hoe fo vaovao,
Mizara fitia amin'ny rehetra,
Fitiavana manontolo,
Fitia tsisy fetra,
Fa samy mahazo daholo
Ka na dia ny miavonavona aza dia,
Omeko bizou !
Ireny mivindavinda ireny koa,
Omeko bizou !
Safosafo indray no miainga ho an'ireo mararirary
Tsikitsiky avy aminao, dia avy dia mitsangana avy hatrany


Ry Anjelikely ô, tsy hita ianao...
Toa tsy mba reko feo intsony,
Ilay tabataba ato anaty anie ka mba mila anao hampitony
Ianao anie no namako,
Tsy mba mamadika ahy
Ny rehetra efa marary saina, tratran'ny adim-panahy

Sady taraiky eo koa anie hoy aho,
Raha ny hafa no antenaina e
Ny sasany aza aretina no mbola hifohazana maraina
Ny sasany indray tsy maintsy miarina hitady anefa efa savolaina
Mosarena, Ramaria, mila haningotra ny aina

Satria y ady izay atrehiny,
Mila hahavaky ny fo,
Ary ny azy ny làlana falehany,
Fandrimpandrika daholo.
Fa tsy misy fitsaharana ny sedra izay manjo,
Ary tsy misy fika azo andaharana ny sasa-atidoha.

Mahalasa saina indraindray hoe
Inona ary no mahatonga izany,
Kanefa toa mba mitady ireo,
Toa mba mitsikaraka ihany.
Sa dia efa izay no anjara fiainany
Ka dia manaiky tsy fidiny
Fa dia voatokana hahantra ireo,
Sy ho farafahidiny

'Ndeha re mba ho ento izahay mba hanaraka anao
Mba ampianaro anay,
Izany hoe fo vaovao,
Mizara fitia amin'ny rehetra,
Fitiavana manontolo,
Fitia tsisy fetra,
Fa samy mahazo daholo
Ka na dia ny miavonavona aza dia,
Omeko bizou !
Ireny mivindavinda ireny koa,
Omeko bizou !
Safosafo indray no miainga ho an'ireo mararirary
Tsikitsiky avy aminao, dia avy dia mitsangana avy hatrany


Tonony sy feony : Ibonia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ibonia
Vangy : 1293
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/02/2015 20:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117