Teo Ianao (Heaven's Worship)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niezaka aho nandeha irery
Namaky iny lalam-piainako
Nandrahona ahy ireo ho avy mistery
Takon-drahona ilay marainako.

Nitodika aho nijery ny aizina sy havoana
Nanamaloka ahy, ranomaso foana
Niondrika aho, lany hery, teo Ianao nanoloana
Jesosy, nanangana ahy indray.

Ref: Teo Ianao ho ahy
     Fanantenana iray nanova ny lasako
     Teo ho fahazavana
     Nanasitrana indray ireo ratrako.

Noresenao ireo adiko
Nentinao ny fijaliana
Ianao Jesosy no fifaliana
Ilay fiainana notadiaviko.

Ref: Teo Ianao ho ahy
     Fanantenana iray nanova ny lasako
     Teo ho fahazavana
     Nanasitrana indray ireo ratrako.

Nanafotra ahy ireo ranomasim-be
Loharano ho ahy an-tany karakaina
Raha niantso aho, Jesosy Ianao nandre
Namarana ireo sento sy taraina.

Ref: Teo Ianao ho ahy
     Fanantenana iray nanova ny lasako
     Teo ho fahazavana
     Nanasitrana indray ireo ratrako.

                       AVARAJOZORO, 13 AVRIL 2020
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Heaven's Worship
Vangy : 186
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ZoRan9
Daty : 19/08/2025 06:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0957