Henoy ny foko (Heaven's Worship)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa misedra ny alon-drano sy ny ahiahy omeny.  
Indraindray reraka aho eny an-dalana eny
Indraindray torovana ny saiko mangina tsy mahateny
Toa tsy mahita izay havaly ireny.

Fa ny foko, sy ny fonao mifankafantatra
Na anivon'ny onjan'ny rano lalina aza
Dia zatra mifandray.


Ref : Henoy ny foko oh, fa mihira (x3)
      Mikalokalo Anao sy ny nanavotanao ahy.
      Henoy ny foko eh, fa mihiaka (x3)
      Mitempo ao foana hoy aho ilay fitiavanao tsy manam- paharoa.


Mihira, (x3)
Ho Anao ny foko. (x4)


Na ny fanompoana na ny teny na ny fihetsiko
Tsy hahalaza ny hiran'ny fanahy sy vetsovetsoko.
Ny foko mahaliana indrindra anao no nentiko.
Raha anaty ady alaim-panahy sedrain'ny fahalamena
Fa mandalo afo sy tefana toy ny volamena.
Ny foko no efa tsangambaton'ilay fanekena.

Efa Anao ny foko (x2)
Henoy ny foko (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Heaven's Worship
Vangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ZoRan9
Daty : 08/01/2026 11:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0733