Fahagola (Groupe i-Ritsoka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taloha fahagolan-tany, raha ny tantara no tianay ho ambara
Dia tsara fitaizana sy mahitsy fo, ireo olona taloha
Fiheveranao azy hoe olona bado sy mora ambakaina
Fa tain'omby mivadika aza dia efa fambara, fa tsy azonao alaina (X2)

Bridge: Fifankatiavana foana, mifanampy hatrany, mifampizara ny soa
Mifampizara ny mamy, mifamonjy amin'ny sarotra, mifanohana koa

Ref: ôôôh, izany ka mamy e
ôôôh, fihavanana hatrany (X2)

Raha ny ankehitriny kosa no andeha ho tantaraina, efa diso miaina
Andramo apetraka eo ary ny entanao, fa avy eo ianao mitaraina
Ny an'ingahy raPrezy sy Madama Terezy ny voly teny an-tsaha
Tena tapitra ringana voaoty avokoa
Lasan'ny jiolahy (X2)

Bridge: Dia toy izany foana mandavan-taona, aiza moa no tsy ho noana
Gidragidra ny arÿ, halabotry ny atÿ
Milaha-bary ny arÿ

Ref: ôoôh, mampalahelo ô
ôôôh, mampitomany (X2)
............
ôôôh, mampitomany!

A/C: Andry Kely I-Ritsoka
Page Facebook: Groupe i-Ritsoka
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Groupe i-Ritsoka
Visites : 213
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : iRitsoka
Date : 22/08/2025 11:30
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0505