Fiadanana feno (Fihirana advantista)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Fiadanana  feno no omen'i Jesoa 'zao
Loharano 'zay tsy mba ho ritra
Fa voavela avokoa, voasasa tokoa
Ny ota maro 'zay efa natao.

Fiadanana tsy ho lany
Raisiko amin'ny rany
Tsy tratry ny saina
Tsy hay tantaraina
Na ety na rahatrizay.

2. Fiadanana feno no omen'i Jesoa 'zao
Na dia be ny mahory mahazo
Fiarovana mafy na mamely ny rafy
Ka mivonona mba hanindao.

3. Fiadanana feno no omen'i Jesoa 'zao
Ao an-dala-mahana sy ety
Toy ny andro maraina
'Zay mamelona aina
Sy manolotra hery vaovao.

4. Fiadanana feno no omen'i Jesoa 'zao
Ho anao koa ry olo-mahantra
Kristy re no fidio
O, ekeo Izy anio
Dia ho sambatra koa ianao.

Fiadanana tsy ho lany
Raisina amin'ny rany
Antsika rehetra
Fa tsy misy fetra
Dieny ety sy rahatrizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fihirana advantista
Vangy : 1817
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jantina
Daty : 26/08/2019 08:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752