Aiza Ianao (Fetra MjR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitsilopy ny aina toa afon-dabozy
Izay no nolovaina, raha nisarahan-dry
Manify maina to atady taroby
Mangaingaina tsy mety leo ny fahiny eh !

Rendraredra, traina, no antom-piainako ankehitriny
Tsisy anao ho ajaina, tsisy anao atao chérie
Ho ahy ianao no daina, ianao no tena fy
Manaintaina aho, ka mila anao ho vakisiny eh

Manina anao aho
Vao mifoha vao maraina d’efa ianao no ato an-tsaina
Indrisy, nilaozanao aho
Mirefarefa mitaraina tsisy ano ho lalaina
Mbola mitady anao aho

Aiza ianao
Mila anao aho

‘ty zanakao ry Kaina no namadika sonia
Ref’izy arabaina, miavonavona minia
Izy no malaina, ‘zah milela-paladia
Ambonio ny saina, adinoy ny fahiny, nefa

Mbola manina anao aho…
Vao mifoha vao maraina d’efa ianao no ato an-tsaina
Indrisy, nilaozanao aho
Mirefarefa mitaraina tsisy ano ho lalaina
Mbola mitady anao aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fetra MjR
Vangy : 503
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FetraMjR
Daty : 19/02/2025 16:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009