Sambatra aho manana Anao (Fefimami)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra aho manana Anao
Jesosy Mpamonjy mahery
Tsy mba manatahotra izany
Fa matoky hatrany hatrany
Ilay herinao ato anaty
Tsy miova tsy mety maty
Na hivadika koa sanatria
Omaly anio ho mandrakizay

Falifaly ravo izahay
Manana an'Andriamaitray
Tompo lehibe Mpamindrafo
Mangorak'ireo torotoro fo
x2

Sambatra aho manana Anao
Tompoko Mpanjaka Tsitoha
Tonga mba hamonjy ny very
Sy hitady ireo izay mihery
Izaho mino sy manantena
Tsy mba misy ho lavinao
Fa handray ny tena famonjena
Ho velona ho mandrakizay

Falifaly ravo izahay
Manana an'Andriamaitray
Tompo lehibe Mpamindrafo
Mangorak'ireo torotoro fo
x2

Tompo lehibe Mpamindra fo
Mangorak'ireo torotoro fo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Fefimami
Visites : 14
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Fefimami
Date : 19/03/2026 14:06
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0385