Tompo (E.B.D)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REFRAIN:ZAHO ALOHA MANAIKY MARINA SY MINO
FA JESOA TOMPO ILAY MPAMONJY AHY
VOAVELANY NY HELOKO AZOKO NY FAMONJENA
EKEKO NY HITIA SY HANOMPO AZY IRERY...
TOMPO ZANAHARY, TOKINAY MAHERY
AFAHANAO ZAHAY FA MIJALY SAIKA VERY
OMEO FO VAOVAO, AHAFAHANAY MIADY @ OLANA REHETRA SY IREO FIAINANA MIANJADY
MIFONA ZAY FA DISO KA TSY HAMERINA INTSONY
IREO DITRA SY ADALANA ALAVIRO ANAY NY FONY
INDRETO ZAY FA VONONA ARY HANAIKY HANOMPO ANAO
OMEO ANAY NY HERY R'ILAY TOMPO TSY MANDAO
IANAO MANTSY ILAY TOMPOKO HATRIZAY
TOMPOKO, ANDRIAMANITRO, MPANJAKA TOKANAY
MAHERY TSY MANARY, MANORO ANAY NY MARINA
RAHA TSY TEO MANTSY IANAO TANY ANKADY ZAY NIVARINA
RÉFRAIN:
INTY AHO ZANAHARY FA TE HANOLO-TENA
NY LALANA TOA SAROTRA KA MILA FAMONJENA
MIFONA SY MIVALO NO HO IREO OTA MAROBE
NISOTRO SY NIFOKA KA AZA LAVINA AHO RE
DE TANORA MOA NY TENA KA TIA NIREVIREVY
NIFALY SY NIRAVO TAO ANATY RENDRARENDRA
OZONA NO NIAINAKO, NALOTO NY FANAHIKO
LAVITRIN'NY MAMY FA TÖ NGIDY NO NIBAHANA
ANKEHITRINY ANEFA DE AZOKO TOKOA
FA FITIAVANA MAHERY NY AMIZAO SY NY TALOHA
KA SAOTRA NO ATOLOTRO VONINAHITRA HO ANAO,
RY ANDRIAMANITRA MAHERY, MPANAO ZAO REHETRA ZAO
REFRAIN:
RAY TSITOHA, MPANORO MPANASOA
MPANARINA NY RENDRIKA MPANOHANA TOKOA
RA MBOLA MISY NY ORY, JESOA LAY TSY MANARY
LAY TSISY FAHOTANA SY LAY TENA LAVORARY
HATRINY ELA, IZY NO ITOKIAKO FA MPAMELA
NY HELOKA VOAKIKY TSISY INTSONY FA VOAVELA
OMENY ANAO NY TSARA, TSY ASIANY FIJALIANA
NY TAHOTRA FONGANINY SOLOINY FIFALIANA
DE RAHA MISY NY OLOMBELONA ZAY MBOLA TSY NAHATSAPA
AMPAHAFATARIKO ETO ZANY FA IZY NO MPANJAKA
NAMORONA NY TANY SY NAHARY NY TONTOLO
TOLORANA NY SAOTRA SY NY DERA MANONTOLO MANONTOLO
REFRAIN:......
......
LYRICS BY E.B.D
--------
Rohy: