Ahiahy (E-mic)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Instru...)

(E-micsound original hit...)
E-mic io baby!  an! an! an! an...!

1.  Tsy aiko izay tena ao anatinao
      Fa ny ahiahy no be an-dohako ao
      Fa lasa lavitra ahy, nandao ny ankany
      Izaho irery mangina, mitomany!
      Ny alahelo anao tsy ho voatana
      Ny mombamomba anao koa tsy hay   fafana
      Ataoko ahoana moa ny hanadino?
      F'izaho aty manahy tsy mety mino
      Ireo fihetsikao...!

Réf:
Raha misy mampanahy ny any aminao
( Dia ambarao! )
Aza kobonina any fa lazao
Fa tiako ianao mba hatsapa ilay fitia ato am-poko
'Zay mitempo ho anao tsy miato!
Dia  mbola averiko ihany fa tiako ianao
( Ka mitalao! )
Mba valio ihany moa raha azo atao
Fa mahatsiaro ho irery sy tena very
Fa lasa lavitra any mantsy
Ilay anjelin'ny fiainako!

2.   Mbola mahatsiaro anao foana aho
      'Ry ilay tokako hatrizay...!
       Mitamberina an-dohako foana
       Ilay tsikinao mandava-taona...!
       Tsisy afaka hasolo anao (anao!)
       N'iza n'iza miteny, n'iza n'iza  hampiova ahy!
       Fitiavana iray efa ho anao sy ho ahy
       Ka aleoko miandry eto ihany
Toy izay indray mbola hijaly...!

Hum nah! nah! nah...!
Oye! Yeh! Yeuh! Yeuh! Yeh! Hum hum ham...!
An! an...! (Voix de tête)

3.   Fitiavana iray natokako ho anao sy ho ahy
      Ka raha misy mampanahy
      Lazao fa aza miahiahy
      Dia mbola averiko eto ihany fa ny aty  te-ho any
      Fa sasa-miandry ilay fotoana
      Afahantsika miahaona
Indray andro any...!



Auteur: Erick RAKOTOMALALA.
Compositeur: Erick RAKOTOMALALA
( Année 2009 )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : E-mic
Vangy : 14
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ErickRak93
Daty : 17/02/2026 13:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0378