Ahiahy (E-mic)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Instru...)(E-micsound original hit...)
E-mic io baby! an! an! an! an...!
1. Tsy aiko izay tena ao anatinao
Fa ny ahiahy no be an-dohako ao
Fa lasa lavitra ahy, nandao ny ankany
Izaho irery mangina, mitomany!
Ny alahelo anao tsy ho voatana
Ny mombamomba anao koa tsy hay fafana
Ataoko ahoana moa ny hanadino?
F'izaho aty manahy tsy mety mino
Ireo fihetsikao...!
Réf:
Raha misy mampanahy ny any aminao
( Dia ambarao! )
Aza kobonina any fa lazao
Fa tiako ianao mba hatsapa ilay fitia ato am-poko
'Zay mitempo ho anao tsy miato!
Dia mbola averiko ihany fa tiako ianao
( Ka mitalao! )
Mba valio ihany moa raha azo atao
Fa mahatsiaro ho irery sy tena very
Fa lasa lavitra any mantsy
Ilay anjelin'ny fiainako!
2. Mbola mahatsiaro anao foana aho
'Ry ilay tokako hatrizay...!
Mitamberina an-dohako foana
Ilay tsikinao mandava-taona...!
Tsisy afaka hasolo anao (anao!)
N'iza n'iza miteny, n'iza n'iza hampiova ahy!
Fitiavana iray efa ho anao sy ho ahy
Ka aleoko miandry eto ihany
Toy izay indray mbola hijaly...!
Hum nah! nah! nah...!
Oye! Yeh! Yeuh! Yeuh! Yeh! Hum hum ham...!
An! an...! (Voix de tête)
3. Fitiavana iray natokako ho anao sy ho ahy
Ka raha misy mampanahy
Lazao fa aza miahiahy
Dia mbola averiko eto ihany fa ny aty te-ho any
Fa sasa-miandry ilay fotoana
Afahantsika miahaona
Indray andro any...!
Auteur: Erick RAKOTOMALALA.
Compositeur: Erick RAKOTOMALALA
( Année 2009 )
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : E-micHits : 14
Likes : 0 Like
Created by : ErickRak93
Date : 17/02/2026 13:57
