Voninahitra , Fiadanana (Chorale Vetson'ny Fianakaviana Masina (VFM))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv: Voninahitra ho an'ny lanitra
      Fiadanana ho ety an-tany (bis)

Zaza teraka ho antsika, Ilay zazalahy nomena antsika.
Ary ny fanapahana eo an-tsorony
Emanoela no Anarany

Fahazavana lehibe, nandravaka ny lanitra.
Ny Majy sy ny Mpiandry ondry efa nitsaoka
Ilay Mesia zanaky ny Ray.
Fiv: Voninahitra ho an'ny lanitra
      Fiadanana ho ety an-tany (bis)

Ny anarany dia mahagaga
Mpanolotsaina lehibe
Andriamanitra mahery
No monina eto anivontsika!

Handeha hiaraka hitsaoka
Ilay Mpamonjy Tompontsika
Ka ny ao anaty ao no aoka
Ho tranon'omby vaovao!
Fiv: Voninahitra ho an'ny lanitra
      Fiadanana ho ety an-tany (bis)
     Voninahitra ! Fiadanana ! (*4)


                                                                ✍🏻Sakim
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Vetson'ny Fianakaviana Masina (VFM)
Vangy : 20
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : toavinasaide
Daty : 15/12/2025 04:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1107