Tsongoy (B'zion Madagascar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga ny maraina miramirana ery
Miandrandra ny lanitra tsy kivy fa manantena foana
Tohina ny fo mahita azy ireo
Samy nohariana ho iray nefa miavaka
Feo mikiaka, maso manganohano
Mba te ho afaka nefa handeha ho aiza moa
Jesosy ô! henoy izao feoko izao
Mitalaho mafy anie aho: mijaly ny olonao

II-Efa vitsy an’isa ireo manan-katao
Ny ankamaroanay Jesosy fadiranovana
Mifona aho Tompo ô ho an’ity fireneko
Aza anaparanao ny fahatezeranao

Réf: Tsongoy fon’olo, tsongoy ny fonao
Fandrao mba ianao io no nahatonga an’izao
Mba ialao re ny fanao ratsy
Fa ny firenentsika ho lany vatsy e!
Andeha hiray saina ka hanetry tena
Mba ho voavonjy ity firenentsika

Magnenga aby e! Itoy e ny kaika!
Tsa hifagnome tsiny fa hiaraka hifanolo-tagnana
Tsa hisaraka fa hiaraka hitambatse
Ano hivavaka sy hifona ho an’ny tanindrazagna!

Réf: Tsongoy fon’olo .......

III-Mino izahay Tompô fa ho avy ilay maraina
Hitondra fahasoavana aminay
Ka ho sambatra izahay !!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : B'zion Madagascar
Vangy : 331
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fenodera-Philberto
Daty : 13/07/2023 07:38
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117