Izay miandry anao (Bodokely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy voafetran’ny hitan’ny maso
Sy izay hoentin’ny fiainana
Fa lalana tsy maintsy ho diaviko
Ny fanamboaranao
Na indraindray aza mila tsy ho tanty
Fa mamaivay reo fisedrana
Nefa ianao ihany
No manome hery ahy ahazakako izany

REFRAIN:
Tompo o mahatoky aho
Fa mety ny fitondranao ahy
Azoko antoka
Ny tananao momba ahy
Ireo anjelinao
No atobinao miodidina ahy
F’izay miandry anao
Tsy ho very fanantenana

Mety tsy ho takatro androany
Ny anton’izao mahazo ahy izao
Ny hany fantatro dia any ho any
Efa miasa ianao
Ka handroso aho, hijoro hatrany
Fa tsy miova ny teninao
Hoe « momba ahy ianao »
Na ho rava aza izao rehetra izao

Tsy maintsy mandresy aho
F’izay ny tanjonao ho ahy
Handreseko fankampanahy
Ho velon’ny finoana
F’ianao no mitondra ahy
Ho amin’ny fiadananao
Hanome ahy fiainam-baovao
Velon’ny herin’ny teninao

REFRAIN x2:
Tompo o mahatoky aho
Fa mety ny fitondranao ahy
Azoko antoka
Ny tananao momba ahy
Ireo anjelinao
No atobinao miodidina ahy
F’izay miandry anao
Tsy ho very fanantenana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodokely
Vangy : 1328
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Narlysh
Daty : 24/01/2023 11:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2277