Nandresy ianao Pepe Shine (Apar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Niady ho anay foana Ianao, didin'ireo anjely
   Ny fahazavako dia fantatro, fa nentinao ny fandresena
   Niaro sy nanampy ahy Ianao, sakaizako mpanavotra ahy
   Fahasoavanao no hiainako hiderako Anao

Ref : Aleloooia, fa nandresy Ianao, fa nandresy ianao
        Aleloooia, Jesosy ianao nandresy ny tany!

2-Mivavaka ho anay foana Ianao, f'efa efa hita indray
   Tsy afaka ny ho resy Ianao, fa nentinao ny fandresena
   Ianao Jesosy izay Messia, fanantenan'ny firenena
   Fahasoavanao no hiainako hiderako Anao

Ref : Aleloooia, fa nandresy Ianao, fa nandresy ianao
        Aleloooia, Jesosy ianao nandresy ny tany!

  (Ny ambony tsy maintsy mihetry
   Ny hery rehetra dia potika,
   Nentinao ny fandresena,
Nandresy Ianao!nandresy Ianao!) 4x

3-Vita tamin'ny hazo fijaliana
   Dia nalevona Ianao
   Fa ny fasana tsy nahatazona
   Fa nentinao ny fandresena
Oh yeaah, yeaaaah, yeaaaaaah

Ref : Aleloooia, fa nandresy Ianao, fa nandresy ianao
        Aleloooia, Jesosy ianao nandresy ny tany!

  (Ny ambony tsy maintsy mihetry
   Ny hery rehetra dia potika,
   Nentinao ny fandresena,
Nandresy Ianao!nandresy Ianao!) 6x
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Apar
Vangy : 16112
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Princia.Rebella
Daty : 19/10/2017 11:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751