Potika sy Revo (Andry & Noely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Fa tena potika sy revo t@-dry aho marina mafy,
   Saingy tsy namboraka izany fa naleoko indray niafy.
   Vao nihodina anefa aho dia injay, inty ilay tovolahy iray,
   Nisankambina anao izy io, tsy mba nanana ahiahy!.
2. Tsy nitankemotra aho akory fa naka bahana ary dia nitanisa,
   Amin'ny lainga tsara lahatra sy resa-be mampandriadrisa.
   Narotsaka ny teny mirindra, nampiarahana fihetsika ary nahavariana,
   Nitankerika indray ry zareo ka nilaza nanao hoe:...
Fiv: Efa nosongonany tokoa aho, anefa tamin'izany ts'isy todim-pitia.
     Tsy mba nitanondrika aho satria, mbola betsaka ireo miandry ahy, betsaka ny tsara.
     Tsy hidi-kizo aho rehefa tsy anjara.
3. Raha ny tiana no tsy azo dia mazàna mankarary ny an-doha,
   Dia nantsoiko indray hamerina ny lasanay ilay tiako taloha.
   Saingy ny antsoko efa tara aoriana, izy mantsy lasan'olona @ fanambadiana,
   Efa vonona ny hanamafy, hiezaky ny tsy hampirafy.
4. Sanganehana ny tena fa tsy nety foana izay mba natao,
   Kanefa dia tsy kivy fa dia tsy kivy....
--------
Rohy:
Hevitra
Micky i'koahy MMC ( 04/02/2022 21:30)
mbola misy tohiny fa lany ny fetran'isa
hery ( 08/02/2022 20:13)
Fetran'isa?
Mba azo andefasana an'ilay hira ve izahay azafady?
Solo22 ( 04/03/2022 15:24)
https://youtu.be/0PO20LYdKmc
hery ( 04/03/2022 15:43)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Andry & Noely
Vangy : 649
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Micky i'koahy MMC
Daty : 08/02/2022 20:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754