Maharary ahy loatra (Z'Presby)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno lôtra ny ahy ny kapôka,
Tsy hitako ho tatazana ny ratra p'ti @ ti foko izay gôka!
Tsy saromana fa toy ny vary mandrôtra
Tsy hay tapohana fa zary lasa manta mohaka!
Maharary ahy lôtra,
Maharary ahy ny fitiavako izay ambani²na,
Maharary ahy ny tenako efa lavo nefa mbola tsindritsindrina,
Maharary ahy ny teny mafy atao @ fianakaviako.
Na tsy tinao ny anah io tiako,
Na somary mongo² ny anah io tsy ariko,
Na sahirakiram-piainana fa rehefa mba tafa yah, ny anah io mba ho ampiako
Tsisy retsy tsy miady, fa mbola mitady,
Mbola manabokona saina mbamin'ny sandry
Miezakezaka fa te ho glady
Miezakezaka zandry (Miezakezak'elah)

Ref.
{Fa na lavo aza aho, tsy hijanona ny ho ambany fa hiezaka ny hitraka.
Ka izay tsy fitiavanao ahy, inoako mbola hiova rehefa ôtr'ôtrzay} x2

Isaorako ianao nahavita nitsikera,
Isaorako ianao satria nahavita nandany lera,
Isaorako @ ireo roranao lany fa feno nyah ti ny vera,
Isaorako ianao nahalala naka nefa tsy nahay niera,
Na tsy hamerina aza ianao tsy terena,
Na tsy hiverina aza ianao tsy fefena.
Fa misaotra nohon'ny hatsaram-panahinao @ izay rehetra vita,
Fa toy ny fota-mandrevo, tsy ho ela akory io dia ritra.
Toy ny kintana mandalo, mbetika hita mbetika tsy hita
Toy ny fitiavana izay naha-saropiaro,
Tia ianao kanefa hoe tsy te hifangaro,

"Toy ny sira izay nalatsaka an-drano,
Tsy ela akory dia rava.
Ôtran'ny tôka izay nosotroina ka nahamamo,
Tsy ela akory dia nisava".
Fanoharana ho anao izay tia² vava.

Ref.
{Fa na lavo aza aho, tsy hijanona ny ho ambany fa hiezaka ny hitraka.
Ka izay tsy fitiavanao ahy, inoako mbola hiova rehefa ôtr'ôtrzay} x2

Isaorako etoana, eny tsy ankiato
Isaorako hatrany ampiatombohana, ilay Mpahary nanome ahy, zava-kanto.
Nanome ahy aina, fo fanahy sy saina,
Mbola namoha ahy isa-maraina,
Famindram-po tsy tambo ho isaina.

Ref.
{Fa na lavo aza aho, tsy hijanona ny ho ambany fa hiezaka ny hitraka.
Ka izay tsy fitiavanao ahy, inoako mbola hiova rehefa ôtr'ôtrzay} x2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Z'Presby
Vangy : 237
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ziomeny
Daty : 29/11/2022 19:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723