Ialako Tsiny (Z'Presby)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny tokou,
Haiko fa nadratra anao ny lasa
izay niarahan-tsika roa/ taloh
Ka ifonako aminao!
Ialako tsiny aminao izy androany,
raha toa ka hoe ka nampijaly,
Nanao izay hankarary, ny fonao izay omaly no tsapako fa faly … Ialako tsiiny,
ialako tsiny aminao ny fahiny
fa zary lasa neniko iny ankehitriny,
zary lasa toy ny tody ka tsy tiako hanana-tsiny,
Ka azafady,
azafady re ka tena miangavy aminao aho
raha toa ka azo atao miangavy aho, aminao fa …
fa nanenenako ny lasa izay vita
na ny tsiky na tomany de samy hita
na … ny fiheveranao ahy fa zah bandy maditra amnà sipa sy ôtrzany eh! Fa maninona, fa maninona no mbola niarahana kanefa b’efa kôp ianay enw no sady efa mahana, Ny anao ny tena marina efa zavatra nilana!

Ref:
Fa zay!
Zay rehetra efa lasa aleo hivalona ho tantara fa ny ampitso indray, Ny ampitso indray
Ny ampitso indray no aleo atao m’lay
De aleo ny lasa aleo hifarana hatreo
De ny ho avy sy ny ankehitriny indray no jereo
Banjino! Banjino ka jereo

Fa tsapako,
Eny tsapako tkou
Fa nandratra an’ti fonao
ity tenako!
Tamreny, f’tôna izay niarahana,
Tsy de hoe f’tiavana fa nyah ny filàna no nibahana, tato andoh.
De ianao iany kou!
Nanao izay hisarika hambabo ny foko,
De babo vetivety ah, antsokosoko …
Nefa … rah ny tato ampoko taloha dia tsy mety tafatombina tsy mety afa-po Fa mila vaovao isan’andro lava zao
ka tafatefa tany aminao
Ialako tsiny raha toa ka nandratra anao ny fahiny (fahiny)
Ialako tsiny … aminao

Ref:
Fa zay!
Zay rehetra efa lasa aleo hivalona ho tantara fa ny ampitso indray, Ny ampitso indray
Ny ampitso indray no aleo atao m’lay
De aleo ny lasa aleo hifarana hatreo
De ny ho avy sy ny ankehitriny indray no jereo
Banjino! Banjino ka jereo

Raha izay alahelo mety handalo,
Aoka tsy hitazomanao ahy,
Izay ratra mety ho lasa takopery ve?
Fa aza manahy, aza manahy!
Fa irariako ianao ho tojo ny anjara,
Ho tojo ny soa ho tojo ny tsara,
Fa ny antsika roa aleo
Aleo hijanona ho tantara!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Z'Presby
Vangy : 396
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ziomeny
Daty : 29/11/2022 19:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0807