Tsy ho rava (yray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Namako ianao,  Isika ho iray foana hatr'izay
Ka ny fiainanao sy ny ahy anie mbola ho iray
Fa izaho sy ianao, hiaraka mandrak'izay
Raha mbola eto an-tany, tsy misy ohatran'izay

Mpinamana Isika ireo, hatrin'ny fahiny
Ka hiaraka hampiara-peo

REFRAIN:
Fa n'iza n'iza tsy handrava, Ny fiarahantsika izao
Ireo olana sy tabataba, Hiarahantsika ireo mamaha
Ka ny tomany sy halahelo, Enganie tsy ho hisy izany
Ho ravoravo sy hafaliana, No hiainana eto an-tany

Namako ianao, Isika ho iray foana hatr'izay
Ka tsy hifandao, raha toa ka sitrakao izay
Fantatrao daholo, izay rehetra momba ahy
Na ny hatsarana na ny kilema, tsisy miafina aminao

Mpinamana Isika ireo, hatrin'ny fahiny
Ka hiaraka hampiara-peo

REFRAIN:
Fa n'iza n'iza tsy handrava, Ny fiarahantsika izao
Ireo olana sy tabataba, Hiarahantsika ireo mamaha
Ka ny tomany sy halahelo, Enganie tsy ho hisy izany
Ho ravoravo sy hafaliana, No hiainana eto an-tany

-----------------------------------------------------------

REFRAIN: 2x
Fa n'iza n'iza tsy handrava,
Ireo olana sy tabataba,
Ka ny tomany sy halahelo,
Ho ravoravo sy hafaliana,

REFRAIN:
Fa n'iza n'iza tsy handrava, Ny fiarahantsika izao
Ireo olana sy tabataba, Hiarahantsika ireo mamaha
Ka ny tomany sy halahelo, Enganie tsy ho hisy izany
Ho ravoravo sy hafaliana, No hiainana eto an-tany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : yray
Vangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FyAndy1986
Daty : 07/01/2026 09:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
tohiny...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2731