Tokontany ngodabe (Xhi sy M'aa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony ‘zahay kidaladala sy mpaka-lelo taloha
Fony ‘zahay tsy dia nahalala izay ratsy na soa
Teny andalan-tsekoly na tara na tsia, ary na ho bedy na tsia
Zahay tsy maintsy, tsy maintsy mangala-paiso ry ‘ty

Rehefa tafiditra andakilasy indray, dada ny anfitsokay
Raha sendra io ka mijery Ramose, hodianay mijery kahie
Fa ny sainay tavela any antokotany, any manao fanenjika any
Para-pakana rivotra, para-pirava ny any

Tokontany ngodabe no nokarohinay, mba hiadakadananay
Na devoara na lesona tsy ho vita mandrakizay
Tokontany ngodabe no nokarohinay, mba hiadakadananay
Na devoara na lesona tsy ho vita mandrakizay

Fa tsy mba azo hitabatabana tao ampianaranay
Tsy nisy hientsehana, tsy nahatamana tao ampianaranay
Asa kosa kanefa, noho ireo raharaha, miandry tany antrano angaha
Fa toa kamo hody indray, nohony tena hirava izahay

Tokontany ngodabe no nokarohinay, mba hiadakadananay
Na devoara na lesona tsy ho vita mandrakizay
Tokontany ngodabe no nokarohinay, mba hiadakadananay
Na devoara na lesona tsy ho vita mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Xhi sy M'aa
Vangy : 1873
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/09/2017 18:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114