Besorongola (Xhi sy M'aa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ô r'ilay besorongola
modia malakilaky enao
fa 'lay ngabesola
ao andrefan-trano ao

Fa any ianao tontolon’ny andro
Tsy hita ianao hanao raharaha
Indro mody ny masoandro
Modia malakilaky hoy aho

Aoka izaho mbola hilalao
ka aza kotabaisinao
ny masoandro indro mody
ny azy satriny izaho
aza mba terena hody

Besorongola, ikaky anie
tsy ampendrasinao toy io
i neny koa ka tsy miomehy
ny anao no be indrindra anio

Nody ihany ilay maditra
nody sasak'alimbe
ka avy hatrany de vôdridra
raok'alika aleha mande

Fa bemarenina rangahy
de lasa koa tsy nandraharaha
nanao korisarisa ery ambony havoana be ery
korisa hatrany an-dohasaha

Nefa mandrak’androany
Mbola ao besorongola
Manao gorisarisa ihany
Tsy mety ho lao tsy mety ho dola

Tantara iny ka tantara…
Zahay mpamaky lohasola
Ianareo no aoka hitsara
Nisy ve besorongola

angano angano arira arira
Zahay mpamaky lohasola
Moa ve mpaniratsira
‘lay hoe besorongola !!

besorongolaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa !!!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Xhi sy M'aa
Vangy : 3759
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/09/2017 18:36
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131