Ny Fitoriana ny Vaovao mahafaly (Vesansiana Mihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FITORIANA NY VAOVAO MAHAFALY SY FITIAVA-NAMANA


Ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly
No fototra nimasoanao
Ry Md (Vincent)x2 de Paul ô
Fa indrindra ho an’ireo malahelo

Nampiely izany hatraiza hatraiza
Fa indrindra ny tany ambanivohitra eia
Tsy reraka tamin’izany ianao

Loharano nipoiranay ianao ry Vincent malalanay
Koa mivavaha re ho anay Farimbona
Vesansiana manaraka anao

Misaotra ry Tompo Rainay ô
Fa manana mpiaro ny ory
Dia i Md Vincent de Paul ô
Zay tohizan’ny fianakaviam-be vesansiana
Ao koa i Mb Louise de Marillac
Izay reny be fitiavana
Nitory an’i Kristy Zanakao izy ireo
Tety an-tany

2- ny fitiavana ny namana
Nivelomanao sy nitarinao
Ry Mb (Louise) de Marillac ô
Ho fanandratana ny maha-olombelona

Dimampolo sy telon-jato taona izay
No niditra any an-danitra ianareo
Koa italahoinareo ho anay ny Fanahy

Fa fototra niainganay ianareo ry ray sy reninay
Koa mivavaha re ho anay Farimbona
Manohy ny asa nosantarinareo.

A/C: Créscent et Fr Hery, c.m
?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vesansiana Mihira
Vangy : 1605
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : beraketa
Daty : 08/11/2012 08:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0664