MIRAY SAINA NO TANJONA (Vesansiana Mihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MIRAY SAINA NO TANJONA
Miray saina no Tanjona
Na dia samy hafa fiteny
Firalahiana no Filamatra
Na samihafa fiaviana
Fiombonam-piainana no hajoro
Hanatsarana ny fiainana ety
Satria : Fiainana iarahana @i Kristy

Mahery vaika ny Feonao Jesoa ô
Ka mambabo hatrany ny fiainako
Mino aho Jesoa fa Ianao no miantso ahy
Vonona mandrakariva aho
Miaraka Aminao, Mankahery ahy
Foiko manontolo zao tontolo izao
Fa Ianao Tompo no arahiko

Lehibe sy kanto ny fitiavanao Jesoa ô
Ka namoizako ‘zay nifikirako teto an-tany
Hiha Jesoa tahaka Anao no tanjoko
Vonona mandrakariva aho
Miaraka Aminao mankahery ahy
Tsy misy tsy hainao hatao @ Fiainako
Ka Ianao tompo no arahiko

Mila mpiara-miasa Ianao Jesoa ô
Ka ny Fiainako manontolo omeko Anao
Ho laniko amin’ny Fanaovan-tsoa ny heriko
Vonona mandrakariva aho
Miaraka Aminao, mankahery ahy
Asa vadi-drano ny asam-piangonana
Tsy vita raha tsy hifandrimbonana.

Conviction de la Propédeutique 2007-2008
(Prise d’Aube : dimanche, 02 déc 2007)
Mélodie : Père RAMANAMBITANA Honoré
Supérieur et Directeur du Scolasticat
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vesansiana Mihira
Vangy : 1572
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : beraketa
Daty : 08/11/2012 08:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731