filafila (VAIN')

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miarakaraka eny, mifampijery ,mifampiteny
Fa tsy fantatra mazava, ny fiarahantsika
Na mpinamana ,na hoe mifampisipa
Fa izao, ianao misalasala
Mody hoe tsy te ahalala
Aza mampifilafila fa tsory na mila na tsy mila

REF: Mody mankatoa, ooooooo
Nefa avy eo mandà, aaaaaa
Toa mankarary loha ny mahita anao mikisaka
Nefa aho efa sahy
Mody mankatoa, ooooooo
Nefa avy eo mandaà ,aaaaaa
Aza manakarary fo fa lasa raha hisitaka
Dia aoka ho mpianadahy


Ianao mivanivany ,ny fotoana lasa ihany
Ny fitiavako miazoazo foana
Tsy ambony , k’anefa tsy ambany
Fa izao aza atao sangisangy
Ilay foko sasa miandry
Aza atao kilalao, fa raha hiaraka dia ndao
Raha tsy izany hifandao

REF (X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VAIN'
Vangy : 2548
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jim
Daty : 13/10/2004 10:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.215