Môly be (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rongony hoa ny resaka
Tohana dia telina
Mievona ny maty
Dia kofona ny velona
Ilay zava-mahadomelina
Efa iaraha-mahalala ô!
Misy môly I Gasikara
Boana malilo, sinofitsa, kalangita sy ny sisa
Mandandrana misintona ny sipa fa ny
Môly! Môly! Ny môly no mitarika ny ditra

Miha-ratsy ny tantara ô!

Ho an’ny dimby sy ny fara
Voatavo tsy mifandraka
No manandranandrana
Dia avy eo lasa mangalatra
Dia mivoaka à la une ô ô !
Midi sy Tiribune
Tsatok’antsy tatsy an’anona
Voatifitra i Conan
Tratra ilay mpisam
Jiolahy matianina ry anona
Môly! Môly! Ny môly Ihany kay moa no rongony
Tsy mba fantatro ry itony e!

Ny mombamomban’izy irony
Tsy hita anaty baiboly
Angamba adinon-dry Paoly
Efa voaozona ho mpamboly
Ny olombelona ry itony
Tao ny nanao tsaramaso, katsaka sy voanjobory
Nisy koa ny nanao rongony
Angamba kosa adalana
Efa hatrany am-piandohana
Ilay Sahedena tena manja
Novolean’ireo jamala
Mamo môly ireo satana!
K’i Kaina zokiny be
Tsy nahazaka ISP
Lasa degany be
Dia namono an’I Ra-bebe
Tena devant Dieu fa ny nahagaga ahy rahalahy dia ny
Môly! Môly! Tsy norarana anaty 10 commandements

Aya ! aya ! ya !
OH YEAH !!!!
Misy resaka hono hono, hono
Hono hono hono hono, hono
Mpitondra fanjakana ambony, hono
No manondrana rongony, hono
Tsy dia tsaroakoroako intsony e!
Na t@ andron’I Ravony, na Raman, na Ramasy, na Ratsiraka na Zafy
Sanatriavina ho rabasy re re-olona o!
Môly! Môly! Môly be saika tsy omby gymnase

Saika ahondrana any an-dafy e!

Dia natoro tatsy ho atsy
Ka ho atakalo vary
Dia ho lany an-karihary
Fa ny aty maty mosary e!
Raha ny ara-toe-karena e!
Dia ny vokatra jerena
Ny eran-tany mahalala fa ny daina tena tsara, tena maina, tena manja dia ny
Môly! Môly! Ny môly avy eto Madagasikara

Na ny avy any Morombe

Fianarantsoa II
Sud-est, Nord-est
Dia efa tsy asiana resaka
Ambanja, Ambilobe
Môly be! Môly be!
Moly be! Môôôly beeeeuuuhhhh!!!
YEAH!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 3311
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 12/06/2018 20:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1381