Inona moa no ifandrafirafiana (Troupe Célestine)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona moa no ifandrafirafiana
Sy hanaovan'izay tsy hitiavana namana
Nahoana ity tany fangirifiriana
Raha solom-piadanana fa tsy andramandramana [2]

Inona anefa izay andro mandalo
Inona koa no mba vitanao irery ?
Tsy azo atao ve ? Ny mitia fahavalo
Toy hiataka sahala ny very

Isika olombelona anie ka mania
Mielina foana , midify de tsy hita
Koa asan'izay tsy mba mifankatia !
Raha ony iray ihany no iarahana mita

Efa any am-pasana ve vao hivaotra ?
Vovoka izany vao hifankatia ?
Indrisy hoy aho ! Diso aoriana loatra
Koa dieny misy aina amboary ny dia [2]
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Troupe Célestine
Vangy : 3056
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 01/01/2020 11:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722