Ny misy anao (TOUCKY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao niposak’iny masoandro iny ianao
dia nidify ny efi-tranoko,
tsy namela teny kely akory anefa
mba hahafantarako
Ny misy anao re mba aiza no
tsy mba fantatro,
fa ny misy anao re mba aiza no
tsy mba fantatro.

Maro anefa izay
kinasantsika sy ianao
fa hafoinao any
toa nanjary kilalao
nody ihany ny masoandro
fa mbola tsy tonga ianao

Izaho irery sisa no mamisavisa
ny ho aviko,
foana hatreo angamba ilay paradisa
mba ho anjarako,
fa ny misy anao re mbola hafa no
tsy nananako
Ny misy anao re
mbola hafa no tsy nananako

Hira sisa no hany,
hany hoventsoiko
raha mb renao any
dia kaloy indrindra
fa atolotro Anao
raiso am-pitiavana

TOUCKY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TOUCKY
Vangy : 2393
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/05/2004 06:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1789