Ny ginako (Thina A.)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha nangina aho
Ka ninia nampirina ny peniko
Tsy hoe nandao
Na tsisy koa izay hoteneniko
Fa maka bahana…
Manangon-kery tsy hampianjera
Mameno fahana,
Hoenti-miatrika tsikera

Izay ny iray
Fa misy koa ny tsy afangaro
Hatramin’izay
Loza ny ahy fa saro-piaro
Amy soratro
Satriko hozaraina foana
Nefa holatro
Nandaniako ny foana

Dia tantara mirakitra ny dia sy ireo lasako
Ka hizara ny lalako iny, hatrany am-pasako

A/C : Thina A. /Houby N.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Thina A.
Vangy : 928
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 01/09/2019 22:12
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134