You are here: home > Tononkira > TARIKA TSIMOKA

Izao lazaina azy (TARIKA TSIMOKA)

https://tononkira.serasera.org/hira/tarika-tsimoka/izao-lazaina-azy

Inona no mbola mahamay azy ny amiko?
Sa ve mbola tsy ampy ireo nataony tamiko?
Efa tsisy intsony, ifanoizako aminy,
Tapaka fa tsisy maminy.

Izao lazaina azy eh, raha mbola anontaniany
Mihevera tena hoe, f'ianao efa tsy tiany
Matoa tsy valiany o, taratasy mifanesy
Tokony ho tsapany fa diso adiresy

Ataony inona ary indray izay momba ahy?
Sa mavesatra aminy ny enjiky nTsiky dia ampyy tsiahy?
Tsy adalana akory ny nanaovako ny tsara
Raha manenina izy efa tara

Izao lazaina azy eh, raha mbola anontaniany
Mihevera tena hoe, f'ianao efa tsy tiany
Matoa tsy valiany o, taratasy mifanesy
Tokony ho tsapany fa diso adiresy

Izao anampy izay ary, mbola tadiaviny
Manaja be azy hono eh, ilay vao notiaviny
Aza mandrera-tena o, manezaka taraina
Raha izy no antenaina dia ny bozaka isaina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TARIKA TSIMOKA
Mpamaky : 2269
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : sitlo
Tamin'ny : 04/04/2011 07:24:09
ID : 6000

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo