You are here: home > Tononkira > TARIKA TSIMOKA

Samia mamoy (TARIKA TSIMOKA)

Fitia feno tsy mba nanalana
Io no natolotro anao
Ka ny ho sambatra no fikasana
F'efa eo ankaikinao

Hay ny fonao misy efitra
Tany ambadika tany
Ka na nataoko aza ny handefitra
Toa tsy ho tantiko izany

(2fois): Azafady aho fa hiala aminao
                Na dia efa maro aza ny efa natao
                Fa raha fitia tsy matotra
                Aoka sao mamatotrTsiky dia ampya

Raha tsy niteny aho dia angamba ho diso
Fa ianao no mafy loha
Fitia avy koa hatao risoriso
Iza no nanam-po

Reo teny-mamin'ny fiarahantsika
Teo imaso dia hoe
Hay ty ianao ty ka joko-tsorika
Mody mba hendry be

(2 fois): Izaho akory tsy hamaly faty
                     Na hitahiry alahelo anaty
                     Fa ny amintsika tsy afak'hitohy
                     ... samia mamoy .

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TARIKA TSIMOKA
Mpamaky : 2285
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : LeSaroy
Tamin'ny : 26/09/2010 15:45:24
ID : 5931

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo