Fahatsiarovana (tarika Ralaza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty ‘lay fahatsiarovana atolotro ho anao
Handeha hitady ravin’ahitra aho mba hanefa ny adidiko
Inty ‘lay hirako izay ho asoloko ny tenako
Mandra-piandrasanao, ilay andro hiverenako

In-2 : Ka raha mba manimanina ianao, io ‘lay hirako hirao
Mety ho lasa vinany ianao, raha mandinika an’zao

Ny tany anie no mielanelanelana eo amiko sy ny aminao
Fa ny fo sy ny fisainako dia miantefa any aminao
Inty ‘lay hirako izay ho asoloko ny tenako
Mandra-piandrasanao, ilay andro hiverenako

In-2 : Ka raha mba manimanina ianao, any ho any
Mety ho lasa vinany ianao, raha mandinika an’zao

Ny tany anie no mielanelanelana eo amiko sy ny aminao
Fa ny fo sy ny fisainako dia miantefa any aminao
Inty ‘lay hirako izay ho asoloko ny tenako
Mandra-piandrasanao, ilay andro hiverenako

Ka raha mba manimanina ianao, io ‘lay hirako hirao
Mety ho lasa vinany ianao, raha mandinika an’zao

Ka raha mba manimanina ianao, any ho any
Mety ho lasa vinany ianao, raha mandinika an’zao
--------
Rohy:
Hevitra
harisoaras ( 27/07/2016 08:39)
Tiako, tena tiako. Atolotro hoa n'ny mpifankati
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : tarika Ralaza
Vangy : 1522
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : harisoaras
Daty : 27/07/2016 08:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1944