Tanana haolo (Tarika Mivazo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nakaiza nakaiza ny olo tety e
no tanàna haolo no sisa lalovana
rindrina kaoka no sisa mitsangana
mba mitahiry ny fahatsiarovana

Tantara sisa no hany tavela
mba mitahiry ny rakitry ny ela
ny taranaka teo dia lasa nisitaka
mihatery ny tany ka aleo miparitaka


Haolo tokoa ilay akany izay nitaiza ny fahazazana
vorona sisa mikalo, eo ambonin'ny rindrina efa tanàna haolo
fonenan' ireo olo-manga itony toerana itony
Kanefa ankehitriny rakotra Antsoro sy Vero


Nakaiza nakaiza ny olo tety e
no tanàna haolo no sisa lalovana
rindrina kaoka no sisa mitsangana
mba mitahiry ny fahatsiarovana


Haolo tokoa ilay akany izay nitaiza ny fahazazana
vorona sisa mikalo, eo ambonin'ny rindrina efa tanàna haolo
fonenan' ireo olo-manga itony toerana itony
Kanefa ankehitriny rakotra Antsoro sy Vero
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Mivazo
Vangy : 1234
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tarikamivazo
Daty : 20/02/2020 13:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
tohiny...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0823