Tsy handry fotsy (Tarika James)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY HANDRY FOTSY

1) - Madivadiva retsy, ry masoandro iry
Hilentika any ambadiky ny bonga
Ny rivotra injany e malefaka fitsoka
Mitantana ny alina ho tonga.

2) - Ny vorona ireny mitanjozotra hody
Hamonjy akany ery an-tendron-kazo,
Haingano ny famindra e, ny ankizy anie ka miandry
Miomana hitono mangahazo.

Ref.: Tsy handry fotsy anio (2f)
Misaotra an’Andriamanitra lehibe.
Tsy handry fotsy anio (2f)
Misaotra ilay Nahary nanome.

3) - Raha azoko rombahina ny soa sy tsara indrindra,
Rombahiko ho antsika hiainantsika
Voarara tsy ho antsika iny, tsy azontsika sainina
Lavitry ny fari-pianantsika

4) - Tsy fantatry ny havana ny varavarantsika
Tambanivohikely hono isika,
Ry zoky sy ry zandry aza, sahy mialangalana
Tsy miditra ny tokantranontsika

Ref.: Fa tsy ho kivy isika e (2f)
Misaotra an’Andriamanitra Lehibe
Fa tsy ho kivy isika (2f)
Misaotra ilay Nahary nanome.

5) - Mamirifiry retsy ny alina eto izany
’Ndeha ho etsy amorom-patana no hatory
Rahampitso hanaraina e hamadika bainga,
Hamita ireo lahasa an-tanimboly.

Ref.: Fa hisy avotra any e (2f)
Misaotra an’Andriamanitra Lehibe
Fa hisy avotra any e (2f)
Misaotra ilay Nahary nanome.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika James
Vangy : 2119
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rafangotsohana
Daty : 05/10/2007 13:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0849