Vavaka ho an'ny paosy (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miala ry devolin'ny tsy fananam-bola
Izaho leo adim-piainana loha vaky mila ho sola
Mba leo aho, mba leo aho
Mialà ry fahasahiranana fa mankaleo ô
Andriamanitra, ilay paosinay io mba jereo ô
Mba leo aho, mba leo aho

Lalana lavitra ilay ho alehanao
Tianao ho lafatra ilay fiainanao
Fa aleo ampatsiahiviko anao
Fa tsy manamanam-bola ianao
Nofinao no be dia be nefa,
Paosinao io goaka be dia izao,
Izao no vavaka raha hoe araho

Miala ry devolin'ny tsy fananam-bola
Izaho leo adim-piainana loha vaky mila ho sola
Mba leo aho, mba leo aho
Mialà ry fahasahiranana fa mankaleo ô
Andriamanitra, ilay paosinay io mba jereo ô
Mba leo aho, mba leo aho

Marary manavy ny poketranay
Efa raha nihena hatramin'ireo rakitray
Ray! Ray!
Maradratra mihitsy anie ho'aho le fonay
Nefa raha mivarotra taova fanahy
Ray, Ray


Miala ry devolin'ny tsy fananam-bola
Izaho leo adim-piainana loha vaky mila ho sola
Mba leo aho, mba leo aho
Mialà ry fahasahiranana fa mankaleo ô
Andriamanitra, ilay paosinay io mba jereo ô
Mba leo aho, mba leo aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann Faya
Vangy : 1396
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 02/08/2022 20:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9204