Tiko nefa (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Intro : Tiako ianao io, nefa...

Tann Faya :
Ooh' Kiala aah',
'Ndao hifanaraka samy hiala,
Inoako angamba fa tsy adala aho,
Fa leo 'lay hiantso anao malala aho, iaraha-mahalala malala aah'!
Ooh' Kiala aah',
Na ny afontsika aza efa maty!
Ny antsika tsy anjara,
Ka 'ndao horavaina mba tsy hifanomezan-tsiny!
Vao solafaka na kely aho dia fahazaranao ny mamely ahy!
Hmm, Olombelona tsy Anjely aho!
Lasa fankahalana, andao ravaina dieny tsy ho tara!
Hmmm!
Mbola hahita ny anjaranao ianao, minoa ahy!
Etsy ho fihiniko eto an-tratrako!
Na ho samy hafa ny làlana enga anie tsy hanadino ahy,
Tsy ho roiroy hoantsika roa!
Ho tazomiko ho sakaiza,
Fa 'zay takaitran' ny ratra iaraha-mitaiza!

Refrain : Tiko Ianao io 'nefa ...

Johane :
Efa tsy hifoha intsony
Tsy safidy fa tsy fanahy iniana!
Tsy lasa intsony!
Aleo samy manana ny làlany
Mety hoe ho azo atao ihany,
Ny handray anao ho namana!
Izay no sisa
Azoko atao ...

Tann Faya - Johane :
Hiaraka fa 'tsisy tanjona,
Tsisy mba natsangana,
Ny ampitso 'nge fibanjina tsy vitan' ny hoe Fitiavana io!
Fitiavana tsy hankaiza tsy aleo ho very any !
Very any! Very any!
Raha miteny hoe tiako Ianao aza,
Toa lasa fahazarana, io lasa am-bava fotsiny fa tsy avy amin'ny fo akory

Refrain : ...

Johane :
Fa ny ato ampoko
(Ny ato am-poko anie)
Marary ihany!
(Marary ahy ihany)
'Nefa tsy maintsy handao,
Tsy maintsy handao anao ...
Mbola hahita anjaranao ianao .... Mino aho!

Outro :
F' efa tsy maintsy handao,
Tsy maintsy handao Anao!
(Hmmm,
Tiko Ianao io 'nefa! x2)
Mbola ahita anjaranao Ianao,
Minoa ahy!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann Faya
Vangy : 1818
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/10/2018 23:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713