Mbola ho tsaraina (Tann Faya)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampy ny Azy fa Ianao mbola ho tsarainaLazaiko ny marina e
Izy anie tia Anao
Nangidy ny variny e
Ra iny Ianao nandao
Vaky ny Fony na tsy naka Lagy aza
Nitapy ny Sainy fa tsy voaloaky ny Vava
Raha mba nahay nihaino Ianao
Ny Fony nitempo hoanao, ny Fiainany foiny ho anao
Lazaiko ny marina e
Izy noalikainao
Mba niandry ny rariny e
Nefa tsy najainao
Vaky ny fony na tsy naka lagy aza
Nitapy ny sainy fa tsy voaloakin' ny vava
Raha mba nahay nihaino Ianao,
Ny Fony io nitempo ho anao, ny Fiainany foiny ho anao
Ka zao,
'Tsisy Anao izy mahery
Ilaozanao izy tsy ho very
Efa sitrana fery izy iny,
Mahazaka handeha Irery
Ampy ny azy fa ianao mbola ho tsaraina
Ampy ny azy fa ianao mbola ho tsaraina
Nankalaza anao ny fony
Nidera anao ny fony
Nivadihanao ny fony ka tsy mila Anao intsony
Fa ny hafatrany hoe mbola ho tsaraina ianao
Tena nino Anao ny fony,
Nihoby Anao ny fony
F' ianao afaka hosoloiny dia tsy asiana lonilony
Efa sambatra izy hoe
Fa raha tianao 'nge Izy
Afaka tsy iarahana, dia tazomy namana dia zory ny Làlana
Amin'izay Ianao tsy ho very Azy
Teo am-pelatànanao 'nefa nitsakitsahinao
Ka zao,
'Tsisy Anao izy mahery
Ilaozanao izy tsy ho very
Efa sitrana fery izy iny,
Mahazaka handeha Irery
Ampy ny azy fa ianao mbola ho tsaraina
Ampy ny azy fa ianao mbola ho tsaraina
Zama,
Fa mety ho gaga ianao raha hilaza Anao anio hoe
Ianao io tsy ilaiko miantso intsony
Mba misaora Zanahary ianao io
Ilay olo-nampijalianao 'nge ho'aho tsy miantso tody
Efa mamela ny helokao izy
Ny hadalanao efa nahakivy
Mahaleova malasana fa tsy afaka hiara-dàlana
Ianareo anie samy hafa Valizy
Ampy ny azy fa ianao mbola ho tsaraina
--------
Rohy: