Ialahy no heriko (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy niasa aho leitsy androany , fa maina ny tsena
Tsy nisy « batelage » ireo mpivaro-kena
Ireo « quincaillerie » tsy mila « docker »
Ireo taxi-brousse efa betsaka mpanera
Hafa ny taloha manao « porté madame »
Na hoe miandry fiara, dia mba miasa milamina
Na mitaona zezika dia manao zaridaina
Dia mahazo jinjany eny, mba mitsitsy aina
Ry zalahy sahy sy matanjaka izao lasa « ni-sam »
Na eny amin’ny ambotaka, mandeha mamaky « vam »
Fa isika leitsy zanako, isika tsy hoatr’izany
Na mafy sy mandatsa aza, ny fiainana eto an-tany
Naleoko leitsy nody, mijanona ato an-trano
Miaraka amin’ialahy, sy mba manala hamohamo
Anio isika hilalao, dia hianatra manisa
Hanosika biriky elah , sy hanao gorisa
Ialahy no heriko !
F’ialahy no heriko !
Avia ialahy hanamboarako, fiara amin’ny kapoaka
« Scoubidou » efa valaka, no andao asiana loaka
Dia hatao « pneu » ho asiaotariby
Io leitsy 4x4, mandehana maka fy
Rehefa faly ialahy, izaho mahazo aina
Hitako misokatra ny vavahadin-tsaina
Ialahy rehefa mitokelaka io, ‘zaho mahazo hery
Ny fitiavako an’ialahy, mampanadino fery
Izay fa ndana milalao ery ambony fasika
Aleo izaho sy ny saiko aloha mba hitatasika
Handinika ny ho avy , haka hery vao
Fa rahampitso izao, mbola tsy hay izay hatao
Zanako o!
Zanako o!
Ialahy no heriko !
F’ialahy no heriko !

(paroles: Raozigasy)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann Faya
Vangy : 1010
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 15/01/2020 19:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843