You are here: home > Tononkira > Tann Faya

Dem (Tann Faya)

Kelikely ah' omaly, mbola ho glady ah' radem
Mahantra kely ah' androany fa mbola ho Boss ah' radem
Za miteny io malemy fa mbola ho mafy ah' radem
Dia zah ho topon' ny life f' ianao ho tompon' ny nenina

Ranomaso ah' androany fa mbol' hitsiky ah' radem
Na tomany ah' anio fa fenoiko sitraka, telina
Oran-dava ny omaly mbola ho baliaka io radem
Ratsy vintana androany, fa mbola hihatsara io radem

Mety oe adala ah'
Hoe doma be mpanofy antoandro ah'
Farafaratsiny anefa hafa ah'
Fa 'nareo rehetra ange
Nareo rehetra ange
Mitovy daholo

Raha resy lava ah' omaly, mbola ho mpandresy ah' radem
Firy taona nijaly fa mbola ho fTsiky dia ampyaly ah' radem
Malo-tava ah' androany, mbola ho sariaka io radem
Niafy kely ah' omaly fa mbola hiliba ah' radem

Nofy ! Nofy
Enga anie ho tanteraka
Na sarotsarotra ny làlana fa zah koa tsy hifezaka
Raha tsy tongako 'zany azafady fa zah tsy hipetraka
Natao ho tody matoa 'tsika rehetra nateraka

Mety oe adala ah'
Hoe doma be mpanofy antoandro ah'
Farafaratsiny anefa hafa ah'
Fa 'nareo rehetra ange
Nareo rehetra ange
Mitovy daholo

Sanatria 'ndray andro any,
Ka tsisy ho tafa ny vetsoko
Raiso hoanao re ny nofiko,
Ataovy am-bava ny teniko
Fady antsika 'lay mihemotra, raha ilainao ho averiko
Mba tsy ho lany fahatany 'lay
Ranomaintin' ny peniko.

Mpihira : Tann Faya
Mpamaky : 1219
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 29/07/2019 10:30:52
ID : 11936

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo