Andro vao (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa efa andro vao, efa andro vao
De ajanony lavitra 'zay nanahirana anao,
Fa efa andro vao, efa andro vao!
Ka 'lay Masoandro io mamiratra hoanao,
Fa efa andro vao, efa andro vao,
Peace sy ny Love no aoka hanjaka anaty fonao,
Fa efa andro vao, fa efa andro vao

Fa ny anio andro vao, ho an'reo mino manatena,
M'fankati ny maro, satry iray samy Olombelona,
D 'lay Masoandro no izara ny hafanàna,
Hanamaina fery, hanome hazavàna 'reo voary,
[Averina]
Matoa miaina ianao io Mpandresy,
Misy ny nofa fa vo may io mankahery [Anao io]
Ny olan'ny omaly efa resy,
Foaza @ tory enao ny anio atao zay mety,
Fa efa andro vao, ny anio andro vao,
Ny hafaliako miaina no enga anie hiampita aminao,
Fa efa andro vao, ny anio andro vao,
'Lay tontolo vao anatiko ao zaraiko hoanao,
Fa marina anie,
Ny hafaliako miaina no enga anie hiampita aminao,
Anao ny anio,
Lay tontolo vao anatiko ao zaraiko anao!

Fa efa andro vao, efa andro vao
De ajanony lavitra 'zay nanahirana anao,
Fa efa andro vao, efa andro vao!
Ka 'lay Masoandro io mamiratra hoanao,
Fa efa andro vao, efa andro vao,
Peace sy ny Love no aoka hanjaka anaty fonao,
Fa efa andro vao, fa efa andro vao

Yeah, zay tsy sitran'ny omaly,
Mbay ry aretin-doza ...
Fa androany anie io dia sitrana ooh!
Raha nijaly aho omaly,
Jamba aho ra hoe inona ny Fiainana,
Fa androany anio io de hohitako oooh!
Tsy ho irery ianao ry Namana eeh'
Fa miaraka @ Jah Jah Almighty io dia vita fona,
Dia vita fona, Yeah!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann Faya
Vangy : 2500
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/11/2014 23:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.16