Vavaka (Tafita)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
fiv:Hivavaka ho anao aho ry Gasikara
Satria ny ho avinao tiako angarahara
Fa ianao ho sambatra tokoa
Fa ho tahian'ilay Ray tsitoha

Zanahary oh! Tahio ny taninay
F'efa nankininay taminao io hatrizay
Ka ho feno ny hasambarana ny ho avinay rahatr'izay
Ka ho sambatra tokoa 'lay Tanindrazanay
ka mba tahio

fiv:............

Tompo oh! be indrafo Ianao
Mba mangata-pamelana ireto vahoaka Anao
Noho ny fitiavan-tenanay sy fiatsarambelatsihy
Ka ho avotra tokoa ity Tanindrazanay ity

Gasikara oh! aza manahy ianao
Fa mbola ho avy ilay maraina vaovao
Andriamanitra mahery tsy amela anao ho irery
Fa hitantana anao hatrany mba tsy ho very

fiv:.............
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tafita
Vangy : 689
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : leftia
Daty : 11/12/2019 13:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709