You are here: home > Tononkira > Taa Tense

Tsy tiako intsony ianao (Taa Tense)

Kotsan-dranomaso ny tavako tamin’ireny
Zaho mitomany anao isan’andro marary jery
Tsy nampoiziko ianao mbola hanambitamby sy hitady zaho
Lasa nenina ianao ankehitriny mahatsiaro ny fahiny

Tena tsy foiko ianao tamin’ireny, amin’izao miala tsiny zaho
Zaho karaha lasa adala miteniteny irery noratranao fo zaho
Ankehitriny tsy tantinao mahita ahy, zaho mitia olon-kafa
Zao ianao sahirana mifona, ianao tsy tiako intsony.

Raha misy olona iray mba tena tianao, anaovy ny tsara mba tsy anenenanao
K’aza variagna amin’ny fahafinaretana mandalo fa manimba raTsiky dia ampyha maro io
Tiavo ilay nanaja anao, fandalovana izao fiainana izao
F’izaho esory an’eritreritrao, tsy tiako intsony ianao.

Taloha zaho foana no mandady aminao, na hadisoanao
Tsy mba tsapanao mihitsy izany, nohararaotinao ihany
Izy koa antegna tegna tia karaha olo voan’ny ahody e
Mba misy fetrany ihany fiaretako, fa zaho tia fa tsy himpody (azafady)

Fahoriana tato am-poko ny namoy ianao,
Tsy fidiny ho ahy ny hitoloko taminao
Ankehitriny foko efa lasan’olon-kafa, ianao toa tsy mahazaka
Izao ianao sahirana mifona, ianao tsy tiako intsony.



Tonony sy feony : Nathalie Hortense

Mpihira : Taa Tense
Mpamaky : 25863
Mpakafy : 6 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 16/03/2015 18:29:48
ID : 7298

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo