You are here: home > Tononkira > Taa Tense

TSISY MIHOATRA ANAO (Taa Tense)

https://tononkira.serasera.org/hira/taa-tense/tsisy-mihoatra-anao

Androany ilay fotoana niriako hamborahako aminao
Miredareda fitia anao efa ela ao anatiko ao
Hatry ny ela aho no naniry anao, efa ela koa niantefa safidy taminao
Tiako ho fantatrao sy izao tontolo izao, izaho maty aminao

Tiàko o, faly aho mahare izany teninao izany
Mamiko o, malalako ianao manomboka androany
Ouuh hitia anao sy hanaja anao aho @ androm-piainako rehetra
Ho ataontsika lamban’akoho dia aina no fetra
Hiara-dia hifampitantana isika, ho mandrakizay satria samy tia
Akaikinao hafaliana tsy mety lany, an-kilanao lay paradisako eto an-tany

Hey, zaho, ho tiana anao foana ee, ho anilanao foana e
Fitiavako ianao, harenako ianao
Ho anilanao foana e, zaho, ho anao foanafoana eee,
Tsisy ahasolo anao, sarobidy eo anatrehako ianao

TsikiTsiky dia ampynao dia mahavelombolo, mamono aty fanahiko
Raha hisedra ady sarotra na mafy, ianao no antenaiko
Ouhh Izaho ho tokinao, ianao kosa no andry hiankinako
Mamiko loatra ianao, anjarako tiako

Hiara-dia hifampitantana isika, ho mandrakizay satria samby tia
Eo anilanao hafaliana tsy mety lany, an-kilanao lay paradisako eto an-tany
Misaotra Anao Zagnahary

Zaho, ho tiana anao foana ee, ho anilanao foana e
Fitiavako ianao, harenako ianao
Ho anilanao foana e, zaho, ho anao foanafoana eee,
Tsisy ahasolo anao, sarobidy eo anatrehako ianao

Musique

Fa fitiavana mandrakizay no itiavako anao

(Zaho, ho tiana anao foana ee, ho anilanao foana e
Fitiavako ianao, harenako ianao
Ho anilanao foana e, zaho, ho anao foanafoana eee,
Tsisy ahasolo anao, sarobidy eo anatrehako ianao) x 2

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Taa Tense
Mpamaky : 111
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : sarobidy
Tamin'ny : 20/11/2020 12:46:38
ID : 13173

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo