Jesoa tsy manary (STK Ny Hafatra)
1- Moa mafy ve izao fiainan-tsika izao?
Mampijaly sy mampitanondrika anao
Na koa hoe efa trotraky ny ota natao
Jesoa tsy manary,ilay tsy mahafoy na mandao
REF:
Jesosy o!Izay miaraka Aminao dia mahery
Jesosy o!Ny eo an-tanananao tsy ho very
Toloranao hery eny an-dalana
Hahatonga any ho lohalaharana
(Ho tody soa ao am-pitsaharana)
Eh!Mety hilaza angamba ianao hoe inona intsony moa no antony ahavelomako?Fa toa olana foana nTsiky dia ampyo sedraiko eo amin'ny fiainana.Mihamaizina amiko ny tany aman-danitra ankehitriny.Ho anao indrindra izao hira izao ho fampaherezana anao.Koa aza kivy,mitrakà.Jereo Jesoa dia mivavaha.Fa Izy ilay tsy mahafoy na mandao sady mbola hiady ho anao.
2- Maro be ireo izay manenjika anao
Miady mafy ny ahasolafaka anao
Satria mantsy mandroso hatrany ianao
Jesoa no aoka hiady,mangina no anjaranao
STK NY HAFATRA
A/C:Mbola
Album "Mihirà ho an'Andriamanintsika"