Iraka solon'i Kristy (STK Ny Hafatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô inty indray aho e ee!
Vonona andeha ho irakao
N'aiza n'aiza hatrany am-paran'ny tany
Ekeko ataoko am-pifaliana izany.
Ireo sakantsakan'ny satana, ao koa 'reo mety ho fitsapana
Tsy hampihemotra ahy fa azo ialàna
Ny Tompo miasa manam-pahefàna

(Hanandratra aho) ×2, (Hidera Anao) ×2
Raha mbola velon'aina koa e e e!!
(Hanandratra aho)×2 , (Hidera Anao)×2
Amin'ny androko rehetra
(Hanandratra aho)×2, (Hidera Anao)×2
Raha mbola velon'aina koa e e e!
(Hanandratra aho)×2, (Hidera Anao)×2
Amin'ny androko rehetra.

Iraka solonao tokoa 'zahay
Hanao ny asa lehibe nojo ny Anao
N'aiza n'aiza hatrany am-paran'ny tany
Ekeko ataoko am-pifaliana izany
Ireo sakantsakan'ny satana, eo koa reo mety ho fitsapana
Tsy hampihemotra ahy fa azo ialàna
Ny Tompo miasa manam-pahefana.

(Hanandratra aho)×2, (Hidera Anao)×2
Raha mbola velon'aina koa e e e!
(Hanandratra aho)×2, (Hidera Anao)×2
Amin'ny androko rehetra.
(Hanandratra aho)×2, (Hidera Anao)×2
Taha mbola velon'aina koa e e e!
(Hanandratra aho)×2, (Hidera Anao)×2
Amin'ny androko rehetra.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK Ny Hafatra
Vangy : 1676
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : diavil
Daty : 23/02/2017 09:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726