You are here: home > Tononkira > Simone RAZAKA

Mino izahay ry Tompo (Simone RAZAKA)

Miantso ny anaranao aho ry Tompo ô
Mitalaho aminao ho an'ny havanay
Ianao no nanome, Ianao no nandray
Mino izahay ry Tompo ô, mino izahay.

          Andriamanitra ô be indrafo
          Henoinao ny vavakay, henoinao ny vavakay
                    Nidina tety an-tany Ianao ry Tompo ô
                    Tonga mba hanavotra, hamonjy anay
                    Mino ary izahay ny hitoetra anilanao
                    Mino iztononkira.serasera.orgahay ry Tompo ô, mino izahay.

          Mandalo foana ety an-tany
          Fa mbola hihaona an-danitra any
                    Mino ny fitiavanao aho ry Tompo ô
                    Ny hatsaram-ponao no izoranay
                    Mino ary izahay ny hitoetra anilanao
                    Mino izahay ry Tompo ô, mino izahay.


N.B: Ity hira ity dia noforonin'i Simone RAZAKA ho fahatsiarovana ny nahafatesan'ny zanany lahy Gérard RAZAKA.
        

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Simone RAZAKA
Mpamaky : 1037
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : BrunoPAYET
Tamin'ny : 20/07/2014 08:24:37
ID : 6620

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo