'Zany vavakay (Silo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry Ray any ambony any, misaotra indrindra
Nanome anay 'ty tany tsara rindra.
Hitanay eto avokoa ireo rehetra
'zay tsy araky ny loha Enao mahefa.
Raha ny lalanay ety fohy ihany
Miantso anao mba hiara-dia eto hatrany.
Satria ny herinao ry Ray dia lehibe
Tantanonao izahay raha mandeha.

Mino Anao sy ny natiora rehetra
Midera anao, 'reo vitanao tsy hanam-petra
Miantso anao, ry Rainay be fitia mba henoy izany vavakay.

O ry Ray any ambony any mba jereo
'zay ety miandry hatrany am'ilay feo.
'ndraindray mantsy tsy hita intsony 'zay aleha
Feno ady lonilony be dia be.

Mino Anao sy ny natiora rehetra
Midera anao, 'reo vitanao tsy hanam-petra
Miantso anao, ry Rainay be fitia mba henoy izany vavakay.
Raiso ho anao, zany hira izany avy ety
Natao ho anao, isika rehetra mety ho tia.
Satria ianao namela anay hankafy ireo hira natao tety.

Hibebahanay ry Ray ny fahotana
Mba esory aminay ny adalana.
Fa hiezaka izahy hatrany hatrany
Hampahalala anao ry Ray eto an-tany


Mino Anao sy ny natiora rehetra
Midera anao, 'reo vitanao tsy hanam-petra
Miantso anao, ry Rainay be fitia mba henoy izany vavakay.
Raiso ho anao, zany hira izany avy ety
Natao ho anao, isika rehetra mety ho tia.
Satria ianao namela anay hankafy ireo hira natao tety.

Sy ny natiora rehetra
Ny hovitanao tsy hanam-petra
Ry rainay be fitia mba henoy izany vavakay
'zany hira izany avy ety
Isika rehetra mety ho tia
Mamelanay hankafy ireo hira natao tety
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Silo
Vangy : 4600
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bloublou
Daty : 02/06/2016 10:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3373