VELON’IZY (Sekoly Alahady Mpihira Ambohijanaka Fivoarana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Jesoa ilay niharitra fijaliana
    Niharitra fahoriana
    Noho ny heloko sy noho ny helokao

   Ô ô ô izy 'lay nokapohina
   Nororana ary koa nohesoina
   Tsy vitan'izany ihany
   Fa nilanja ilay hazo fijaliana e

   Jodasy namadika tsotr'izao
   Nohony fitiavam-bola
   Nefa tsy fantany fa handresy ny zanak'olona a

   Ô ô ô misy ireo sahy milaza
   Fa hombohy hombohy ho faty
   Misy ireo malahelo ka mivavaka ho azy mba  hahery

   Maty nohon'ny otantsika
   Fa velon'izy mandrakizay
   Ka hihira hoe:

   Ref:
   'Ndao iharapaly fa voavonjy isika rehetra izao
   Velon'izy tompo mpanjakan'izao tontolo izao
   Efa resiny ny fafatesana
   Velona izy ô ô
   Velona izy ô ô ô  Velona izy
   Paska fandresena ho antsika
   Velona izy ô ô
   Velona izy ô ô ô
   Velona izy
   Vita ny famonjena ah ah

2- Izy ilay be fitiavana
     Nahafohy ny ainy ho anao
     Moa ve fantatrao ilay fitiavan-dehibe natolony
     Mifaly fa velon'izy hamonjy antsika rehetra
     Ka hihira aho hoe:

Ref: *2
   'Ndao iharapaly fa voavonjy isika rehetra izao
   Velon'izy tompo mpanjakan'izao tontolo izao
   Efa resiny ny fafatesana
   Velona izy ô ô
   Velona izy ô ô ô  Velona izy
   Paska fandresena ho antsika
   Velona izy ô ô
   Velona izy ô ô ô
   Velona izy
   Vita ny famonjena
          Velona izy

A/C: Tina RAZAFINJATO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sekoly Alahady Mpihira Ambohijanaka Fivoarana
Vangy : 647
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsoaraz
Daty : 26/04/2024 08:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0987