DIOVY AHO (ROMEROLL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
DIOVY AHO

Diovy aho ka sasao
Ny hadisoako avelao
Ity ny foko ho anao
Raiso re ka hanjakao

Hatram'izay anie aho
Tsy nahatsiaro ny anaranao
Variana tamin'ny rendrarendra
Sy zavatra tsy hateza

Diovy aho ka sasao
Ny hadisoako avelao
Ity ny foko ho anao
Raiso re ka hanjakao

Hatram'izay anie aho
Tsy nahatsiaro ny anaranao
Variana tamin'ny rendrarendra
Sy zava-mora lo tsy hateza

Tompo o! Tsapako izao
Ny hadisoana rehetra natao
Inty aho mivalo sy mitalaho

Tompo o! Inty aho hiraho
Ny hoaviko eo an-tananao
Raiso aho raha sitrakao
Hanara-dia anao

Izay kasainay rehetra atao
hilanay sitraka avy aminao
dia nataonay handitra indray
Fa tsy halemem-panahy
Izaho lay ondrikelinao
Hiverina ao am-balanao
Ampio ka tariho
Hiova fo ka tahio

Tompo o! Tsapako izao
Ny hadisoana rehetra natao
Inty aho mivalo sy mitalaho

Tompo o! Inty aho hiraho
Ny hoaviko eo an-tananao
Raiso aho raha sitrakao
Hanara-dia anao

Na ho levona aza ny nofoko sy ny foko
Vatolampiko sy anjarako mandrakizay
Mandrakizay ianao

Tompo o! Tsapako izao
Ny hadisoana rehetra natao
Raiso aho raha sitrakao
Hanara-dia anao

Salamo 143
Amen!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROMEROLL
Vangy : 2051
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Romeroll
Daty : 23/05/2014 13:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764